<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Andriananahary masina indrindra!
 Ny anjelinao izay mitoetra Aminao
 Mifamaly hoe : Masina indrindra
 Andriananahary, Telo Izay Iray.

[V2]
 Andriananahary masina indrindra!
 Na tsy hita aza izao ny voninahitrao!
 Masina indrindra Hianao irery.
 Andriananahary, Telo Izay Iray.

[V3]
 Zava-manana aina samy mankalaza
 Sady manambara Anao Izay Tompony izao;
 Hianao irery no mitahy azy,
 Andriananahary, Telo Izay Iray.

[V4]
 Andriananahary feno hatsarana!
 He ny fitahianao izay mpanomponao.
 Tsara dia tsara ny omenao azy
 Andriananahary, Telo Izay Iray.

[V5]
 Andriananahary masina indrindra!
 Izahay mpanomponao ta-hankalaza Anao;
 Feno fahendrena, feno fiantrana,
 Andriananahary, Telo Izay Iray.</lyrics>
<title>Andriananahary masina indrindra! FFPM1</title>
<hymn_number>1</hymn_number>
<author>J.P. Dykes</author>
</song>